Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 8:16-26 Malagasy Bible (MG1865)

16. Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.

17. Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.

18. Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.

19. Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.

20. Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.

21. Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.

22. Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.

23. Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.

24. Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).

25. Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.

26. Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 8