Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 3:27-31 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.

28. Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.

29. Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

30. Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.

31. Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 3