Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 21:16-25 Malagasy Bible (MG1865)

16. Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?

17. Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.

18. Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.

19. Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.

20. Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,

21. ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.

22. Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.

23. Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.

24. Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.

25. Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 21