Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 20:6-17 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.

7. Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.

8. Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.

9. Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

10. Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.

11. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

12. Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?

13. Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.

14. Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.

15. Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

16. Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.

17. Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 20