Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 15:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.

7. Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.

8. Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.

9. Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.

10. Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 15