Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 13:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

9. Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.

10. Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.

11. Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.

12. Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 13