Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 3:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;

7. Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;

8. Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.

9. Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?

10. Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.

11. Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

12. Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.

13. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

14. Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.

15. Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa.

16. Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 3