Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 3:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.

8. Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.

9. Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,

10. Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.

11. Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.

12. Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.

Vakio ny toko manontolo Mika 3