Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mika 2:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.

2. Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.

3. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.

4. Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!

5. Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.

6. Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin'ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!

7. He! izany teny izany! Ry taranak'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?

8. Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.

Vakio ny toko manontolo Mika 2