Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 7:28-38 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

29. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.

30. Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

31. Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.

32. Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo.

33. Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.

34. Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.

35. Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,

36. dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby.

37. Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,

38. izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 7