Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 4:29-31 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.

30. Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.

31. Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 4