Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 4:16-28 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana,

17. ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba.

18. Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.

19. Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.

20. Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.

21. Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.

22. Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,

23. ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;

24. ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.

25. Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;

26. ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.

27. Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,

28. ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 4