Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 24:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.

3. Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.

4. Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

5. Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.

6. Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.

7. Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 24