Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 23:5-23 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.

6. Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

7. Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;

8. fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.

9. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

10. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo;

11. ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.

12. Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

13. Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.

14. Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

15. Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.

16. Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.

17. Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.

18. Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

19. Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.

20. Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.

21. Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

22. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

23. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 23