Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 23:21-36 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.

22. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

23. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

24. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.

25. Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

26. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

27. Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

28. Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.

29. Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

30. Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.

31. Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.

32. Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.

33. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

34. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah.

35. Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.

36. Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 23