9. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao.
10. Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
11. Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12. Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13. Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
14. Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
15. Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
16. Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
17. Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.