Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 19:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.

15. Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.

16. Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.

17. Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.

18. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.

19. Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.

20. Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.

21. Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;

22. ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 19