Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 15:18-33 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

19. Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

20. Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.

21. Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

22. Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

23. Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

24. Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.

25. Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.

26. Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.

27. Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

28. Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.

29. Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

30. Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.

31. Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.

32. Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,

33. ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 15