Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 13:36-51 Malagasy Bible (MG1865)

36. dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.

37. Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.

38. Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,

39. ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.

40. Ary ny amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.

41. Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.

42. Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany

43. Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,

44. dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.

45. Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!

46. Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.

47. Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,

48. sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,

49. raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.

50. Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.

51. Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 13