Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 12:7-8 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.

8. Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 12