Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 11:33-46 Malagasy Bible (MG1865)

33. Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.

34. Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.

35. Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.

36. Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.

37. Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.

38. Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.

39. Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.

40. Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro

41. Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.

42. Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.

43. Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.

44. Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.

45. Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.

46. Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 11