Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 9:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,

4. dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,

5. ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.

6. Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.

7. Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?

8. Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?

9. Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta

10. ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.

Vakio ny toko manontolo Josoa 9