Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 6:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.

4. Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.

5. Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.

6. Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.

7. Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.

8. Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.

9. Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.

10. Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay ianareo no hanakora.

11. Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.

12. Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.

13. Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.

14. Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.

15. Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.

16. Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna.

Vakio ny toko manontolo Josoa 6