Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 4:18-24 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.

19. Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.

20. Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.

21. Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?

22. dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.

23. Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,

24. mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Josoa 4