Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 3:6-12 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.

7. Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.

8. Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.

9. Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.

10. Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:

11. Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;

12. koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;

Vakio ny toko manontolo Josoa 3