Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 22:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,

2. ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;

3. tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.

4. Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.

5. Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.

6. Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.

7. Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy

8. ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.

9. Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.

10. Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.

11. Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.

12. Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.

13. Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,

14. sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.

Vakio ny toko manontolo Josoa 22