Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 18:18-25 Malagasy Bible (MG1865)

18. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.

19. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.

20. Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.

21. Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza

22. sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela

23. sy Avima sy Para sy Ofra

24. sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;

25. sy Gibeona sy Rama sy Berota

Vakio ny toko manontolo Josoa 18