Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 15:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.

2. Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,

3. dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,

4. dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.

5. Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,

6. dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,

7. dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,

8. dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,

Vakio ny toko manontolo Josoa 15