Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 14:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.

9. Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.

10. Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.

11. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14:

12. Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i Jehovah.

13. Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.

14. Izany no nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.

15. Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.

Vakio ny toko manontolo Josoa 14