Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 10:11-23 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.

12. Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.

13. Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.

14. Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.

15. Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.

16. Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.

17. Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.

18. Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;

19. fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.

20. Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,

21. dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.

22. Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatį»³ amiko.

23. Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.

Vakio ny toko manontolo Josoa 10