Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jona 3:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.

3. Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana.

4. Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.

5. Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely.

Vakio ny toko manontolo Jona 3