Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 22:20-29 Malagasy Bible (MG1865)

20. Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.

21. Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.

22. Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23. Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.

24. Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;

25. Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.

26. Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.

27. Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.

28. Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.

29. Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.

Vakio ny toko manontolo Joba 22