Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 9:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.

10. Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.

11. Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?

12. Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,

13. Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,

14. Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;

15. Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.

16. Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;

Vakio ny toko manontolo Jeremia 9