Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 9:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.

2. Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.

3. Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.

4. Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.

5. Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.

6. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?

7. Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.

8. Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

9. Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.

10. Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.

11. Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?

12. Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,

13. Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,

14. Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;

15. Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 9