Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 8:5-8 Malagasy Bible (MG1865)

5. Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.

6. Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.

7. Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.

8. Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 8