Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 8:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!

12. Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.

13. Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.

14. Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.

15. Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.

16. Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 8