Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 7:29-34 Malagasy Bible (MG1865)

29. Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.

30. Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.

31. Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.

32. Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.

33. Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

34. Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 7