Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 7:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.

3. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.

4. Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.

5. Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo,

6. Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,

7. Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.

8. He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.

9. Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?

Vakio ny toko manontolo Jeremia 7