Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 6:23-30 Malagasy Bible (MG1865)

23. Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.

24. Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.

25. Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.

26. Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

27. Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.

28. Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.

29. May ny tafoforana, levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.

30. Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 6