Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 52:22-34 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.

23. Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.

24. Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;

25. ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,

26. dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.

27. Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.

28. Izao no olona izay nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;

29. tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;

30. tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.

31. Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.

32. Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.

33. Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.

34. Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 52