Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 51:56-64 Malagasy Bible (MG1865)

56. Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.

57. Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.

58. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.

59. Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.

60. Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.

61. Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,

62. ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.

63. Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.

64. ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 51