Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 50:9-20 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.

10. Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.

11. Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;

12. Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!

13. Noho ny fahatezeran'i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

14. Milahara manodidina hamely an'i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin'i Jehovah no nanotany.

15. Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian'i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.

16. Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy.

17. Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.

18. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.

19. Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.

20. Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 50