Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 50:36-46 Malagasy Bible (MG1865)

36. Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.

37. Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.

38. Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.

39. Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.

40. Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.

41. Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.

42. Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.

43. Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.

44. Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?

45. Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.

46. Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 50