Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 48:36-47 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.

37. Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.

38. Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.

39. Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.

40. Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.

41. Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.

42. Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.

43. Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.

44. Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.

45. Ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.

46. Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.

47. Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 48