Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 48:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.

2. Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.

3. Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!

4. Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.

5. Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.

6. Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.

7. Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.

8. Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 48