Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 48:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.

2. Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.

3. Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!

4. Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.

5. Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.

6. Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 48