Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 4:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,

2. Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.

3. Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin'ny tsilo.

4. Miforà ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.

5. Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanàna mimanda.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 4