Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 36:8-20 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.

9. Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.

10. Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.

11. Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky,

12. dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.

13. Dia nambaran'i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo anatrehan'ny vahoaka.

14. Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.

15. Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo anatrehany.

16. Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.

17. Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.

18. Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.

19. Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.

20. Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 36