Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 35:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:

2. Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.

3. Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,

4. ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 35