Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 32:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.

10. Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.

11. Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;

12. dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.

13. Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:

14. Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.

15. Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.

16. Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:

17. Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 32